Top Search

LyricsCopy.com

Fitia mandrakizay

by Mage 4

lyricscopy.com
Fitia mandrakizay - Mage 4

Vao nitopy taminao ny masoko androany
Dia nisava ny alaheloko hatrizay
Niova ho toy ny paradisa ilay tomany
Fa nanoloana ahy ilay sila-panahy
Eny izaho koa niandry anao hatrany
Nino koa fa ho ahy ianao

Ref : Tapitra hatreo ireo talaho
Hitamboatra ho iray izaho sy ianao
Ny fitiavantsika roa tsy ho lo, Mandrakizay!

Toy ny tsy teto antany intsony izaho sy ianao
Fa ny afom-pitia no nitari-dalana
Ireo mpankahala niala maina sy nandao
Fa tsara orina ilay fitia vaovao
Tsy hisy fetra fa ho mandrakizay
No tarigetra hiainana

Ref...
Browse Artists :

# A B C D E F G H I J K L M N O P Q R S T U V W X Y Z

Karaoke : Backing tracks & videos - Karaoké files

Karaoke Fun !