Top Search

LyricsCopy.com

Ilay hatsaranao

by Mirado

lyricscopy.com
Toy ny nanonofy ihany aho
raha nahita anao indray andro izay,
Saika tsy afa-po mihitsy aho
fa toa nisarik´ahy

Tsy afeniko fa tena nandratra ahy ilay hatsaranao
Indrindra koa fa noravahin´ilay tsiky kely izay
Koa aza omena tiny aho raha toa nanoratr´izao hira izao
F´ilay eritreritr´izay nanarak´ahy tsy mety lany manaiga fanahy
Nametsovetso ny fahitako anao naka sary an-tsaina ilay akantomao
Mikalo sy mamisavisa sis azoko atao

[Refrain]:
Tsy ho adinoiko velively
Tsy hovoafafa na oviana na oviana
Ato an-tsaiko ilay fijerinao
Ato an-tsaiko ilay fitsikinao
Toy ny fitomboka ´zay tsy afaka intsony
Fa mitoetra

Toy ny nanonofy ihany aho
raha nilazanao indray andro izay
Saika tsy nino mihitsy aho
Fa ianao izao no nahavita izao

Ekeko fa anananao ny bika sy ny endrika
K´izany koa angamba no nahabe ny mpitsiriritra anao
Olombelona ihany ianao ka na be ny fitiavanao ahy
Rehefa tojon´ilay mahay azy ianao
niova ihany ka lasa nandao
Ka lafi-ratsiny ny nahitako anao indray
´lay hatsaranao raha toy izay
Mikalo sy mamisavisa sisa azoko atao

[Refrain]:
Tsy ho adinoiko velively
Tsy hovoafafa na oviana na oviana
Ato an-tsaiko ilay fijerinao
Ato an-tsaiko ilay fitsikinao
Toy ny fitomboka ´zay tsy afaka intsony
Fa mitoetra

Tsy ho adinoiko velively
Tsy hovoafafa na oviana na oviana
Ato an-tsaiko ilay toetranao
Ato an-tsaiko ilay nandao ahy ianao
Toy ny fitomboka ´zay tsy afaka intsony
Fa mitoetra…
Browse Artists :

# A B C D E F G H I J K L M N O P Q R S T U V W X Y Z

Karaoke : Backing tracks & videos - Karaoké files

Karaoke Fun !